Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.